Anteony
Ny Anteony dia foko ao amin' ny vondrom-poko antemoro, ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Vatovavy-Fitovinany. Ny Anteony no sarangan' ny andriana. Ny Anteony dia milaza fa Arabo silamo avy any Lameka (na Maka) any Arabia i Ramakararo razambeny, izay nanorina ny Fanjakana Antemoro.
Teo amin' ny Antemoro dia ny Anteony ihany no tena andriana nakana ny mpanjaka (atao hoe Ndrianony, Ndrenony). Ny mpanjaka Tanala maro dia manam-piaviana anteony. Nonina tao Ivato ny mpanjakan' ny Antemoro izay avy amin' ny Anteony.
Ny Anteony ihany no manana zo handatsa-dra ny biby hatao sorona na hohanina, izany no atao hoe "sombily".
Ny lehilahy anteony dia nahazo nanambady vehivavy avy amin' ny foko antemoro hafa fa ny lehilahy avy amin' ny foko antemoro hafa kosa tsy nahazo nanambady vehivavy anteony. Taorian' ny fitroaran' ny Ampanabaka (taona 1883 sy 1894) sy ny Onjatsy (taona 1883 sy 1884) anefa dia niova izany toe-javatra izany, na momba ny sombily na momba ny fifanambadiana na momba ny fandaminana ny fitondrana. Noho izany dia lasa anisan' ny foko antemoro mpanombily koa ny Onjatsy, ny Anakara, ny Antalaotra, sy ny maro hafa.
Mizara ho zana-poko (na firazanana) efatra ny Anteony, dia:
- ny Anteony
- ny Antesambo
- ny Antemahazo
- ny Antekazimambo
Jereo koa
Foko ao amin' ny vondrom-poko antemoro
Boky azo anovozan-kevitra
- Bradt, Hilary; Austin, Daniel (2007). Madagascar (9th ed.). Guilford, CT: The Globe Pequot Press Inc. pp. 113–115. ISBN 978-1-84162-197-5.
- Campbell, Gwyn (2012). David Griffiths and the Missionary "History of Madagascar". Leiden, The Netherlands: Brill. ISBN 978-90-04-20980-0.
- Condra, Jill (2013). Encyclopedia of National Dress: Traditional Clothing Around the World. Los Angeles: ABC Clio. ISBN 978-0-313-37637-5.
- Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge. ISBN 978-1-135-96341-5.
- Dominique Rolland, "Lois naturelles, lois sociales : l'exemple Antemoro (Madagascar)", in Nouvelle revue d'ethnopsychiatrie, no 14, 1989, p. 107-110
- Dominique Rolland, Matitanana : anthropologie historique du royaume Antemoro, EHESS, Paris, 1993 (thèse)
- Ferrand, Gabriel (1902). Les musulmans a Madagascar et aux Comores: Troisieme partie - Antankarana, sakalava, migrations arabes. Paris: Ernest Leroux. Retrieved 31 August 2014.
- Gennep, A.V. (1904). Tabou et Totémisme à Madagascar. Paris: Ernest Leroux. ISBN 978-5-87839-721-6.
- Hamès, Constant (2007). Coran et talismans: textes et pratiques magiques en milieu musulman. Paris: Karthala. ISBN 978-2-84586-873-1.
- Hubert Deschamps et Suzanne Vianès, Les Malgaches du Sud-Est : Antemoro, Antesaka, Antambahoaka, peuples de Farafangana (Antefasi, Zafisoro, Sahavoai, Sahafatra), Presses Universitaires de France, 1959, 118 p.
- Jacques Dez et François Viré, Le "manuscrit Antaimoro" du fonds arabico-malgache du Musée de l'homme, CNRS, Université Paris-VII, Département de recherches linguistiques, 1984, IV-25 f.-[31] f. de dépl. (avec facsimilé du manuscrit)
- Jacques Philippe Rombaka, Fomban-drazana antemoro = usages et coutumes antemoro, Ambozontany, Fianarantsoa, 1970, 121 p.
- Jean Tsaboto, Mutation sociale et politique de la société antemoro au XIXe siècle (Sud-Est de Madagascar), EHESS, Paris, 2003, 483 p. (thèse)
- Le Gros [sic], Guérir chez les Antemoro de Matatana, INALCO, Paris, 1997, 2 vol. (thèse)
- L'organisation politique et sociale du royaume antemoro, Université de Madagascar (Cahiers du Centre d'études des coutumes), Tananarive, 239 p.
- Louis Molet, "Quelques contes Makoa et Antaimoro", in Bulletin de l'Académie malgache, nouvelle série, tome XXX, 1951-1952, p. 83-90
- Narivelo Rajaonarimanana, Savoirs arabico-malgaches : la tradition manuscrite des devins Antemoro Anakara (Madagascar), Institut national des langues et civilisations orientales, 1990
- Ogot, Bethwell A. (1992). Africa from the Sixteenth to the Eighteenth Century. Paris: UNESCO. ISBN 978-92-3-101711-7.
- Philippe Beaujard et Jean Tsaboto, "Les parias antemoro : les Antevolo", Actes du Colloque international sur l'esclavage, Antanarivo, 23-28 septembre 1996, p. 383-399
- Philippe Beaujard, Islamisés et systèmes royaux dans le sud-est de Madagascar : les exemples Antemoro et Tañala, Université de Madagascar, Antanarivo, (tiré à part issu de Omaly sy anio, no 33-36, 1991-1992, p. 235-286
- Thompson, Virginia; Adloff, Richard (1965). The Malagasy Republic: Madagascar Today. San Francisco, CA: Stanford University Press. ISBN 978-0-8047-0279-9.
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.