Alexandre Garcia

Alexandre Garcia

Alexandre Eggers Garcia (teraka ny 11 Novambra 1940 tao Cachoeira do Sul) dia mpanao gazety, mpanolotra fandaharana ary mpanoratra lahatsoratra ara-politika breziliana, izay mpitondra tenin'ny filoha farany teo amin'ny fitondrana jadona miaramila tao  Brazila, ny Jeneraly João Batista Figueiredo.[1] Tamin'ny taona 2021, dia nokaramaina ho mpaneho hevitra tao amin'ny TV Jovem Pan News izy. Mpanoratra lahatsoratra ihany koa izy tao amin'ny gazety Gazeta do Povo,[2] izay tamin'ny Aprily 2019, dia nametraka azy ho isan'ireo mpanentana nomerika lehibe indrindra amin'ny elatra havanana breziliana. Nanomboka tamin'ny taona 2023, dia mpanoratra lahatsoratra tao amin'ny Revista Oeste izy.

Niasa tao amin'ny Jornal do Brasil izy, ny TV Manchete efa maty, ary ny TV Globo. Tao amin'ny Globo, izay niasany nandritra ny telopolo taona mahery, dia talen'ny asa fanaovan-gazety tao Brasília izy hatramin'ny taona 1995, rehefa nesorina tamin'ny toerany izy noho ny fiheverana azy ho mpomba ny governemanta tafahoatra. Nanomboka teo dia lasa mpaneho hevitra ara-politika tao amin'ny Bom Dia Brasil izy, andraikitra notanany hatramin'ny taona 2018.[3]

Nomen'ny Mpanjakavavy Elizabeth II ny mari-boninahitra Order of the British Empire i Alexandra Garcia noho ny fandrakofany ny vaovao momba ny asa fanaovan-gazety nandritra ny Adin'i Falklands.


Ary iray amin'ireo mpitaona YouTube malaza indrindra izy miaraka amin'ny mpanjifa 3.13 tapitrisa: Alexandre Garcia

Jereo koa

[[Sokajy:Gazeta do Povo[Garcia]]

  1. (pt) TV Globo
  2. [(pt) Gazeta do Povo]
  3. (pt) Tudo saber sobre Alexandre Garcia

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.