Akadia

I Akadia, atao ihany koa hoe Akadia Vaovao dia tany any Amerika Avaratra tsy manana sisintany mazava. Ara-kolontsaina sy ara-tantara ny akadia.
Any amin'ny mpanjanatany eoropeanina nipetraka tany Akadia (taloha) noforonina tamin'ny 1604 ny Akadianina ankehitriny. Zanatany frantsay i Akadia tamin'ny 1604 hatramin'ny 1713, teo amin'io daty io ny Akadia no lasa zanatany Anglisy. Noroahana daholo ny Akadianina tamin'ny Grand Dérangement tamin'ny 1755 hatramin'ny 1763, nampanjavona any Akadia taloha io epizôda io.
Anarana
Fiavina
Dika
Faritany ngezabe i Akadia, ary tsy dia fantatra ny sisintaniny. Tsy misy lalàna mahalala i Akadia any Amerika. Kanefa, araka ny lazain'ny mpanoratra maro ohatran'i Léon Thériault, Michel Roy sy Adrien Bérubé, efa verin'ny Frantsay i Akadia taorian'ny taona 1763 ary efa nivovoina sy noroahana ny ankabiazan'ny Akadianina nijanona, noho izany, dia efa fifanoheram-piteny izany miresaka momba an'i Akadia anefa efa tsy misy Akadia izany intsony. Niova tamin'ny fandrosoan'ny tantara ny hevitry ny teny hoe Akadia ary mbola misy adihevitra ankehitriny momba ny dikan'io teny io. Misy olona mihevitra hoe tsy manana sisintany i Akadia

Tamin'ny 1979, namolavola ny dika efatry ny teny hoe Acadia nekena i Adrien Bérubé. Ny dika voalohany dia i Akadia ara-tantara. Tafiditra ao amin'io faritany io ny Helodrano Fundy na, raha velarina kokoa ny dikany, ny morontsiraka misy anelan'ny renirano Sainte-Croix any andrefana sy ny Baie des Chaleurs any avaratra, Ao ny nosy atsimon'ny Golfe du Saint-Laurent (jereo ny saritany).
Ny dika faharoa dia i Akadia jenealôjika, na Akadian'ny diaspora. Amin'izany Akadia izany no misy ny fianakaviana akadianina noroahina tamin'ny Grand Dérangement: ny Faritanin'ny Ranomasimbe Atlantika, i Quebec, i Saint-Pierre-et-Miquelon, i Nouvelle-Angleterre, i Louisianan bt Antila, i Guyane Frantsay, i Nosy Malouines ary i Frantsa. Ny fahatelo dia i Akadia ankehitriny, ao amin'ny Akadia ankehitriny no misy ny faritany an-dranomasin'i Kanada. Ny fahefatra dia i Akadia prôspektiva, ao amin'izany Akadia izany no misy ny kaontia miteny frantsay any Nouveau Brunswick.
Toe-tany
Miankina amin'ny ranomasina ny vakokan'i Akadia. Eo akaiky na eo amoron-dranomasina ny ankabiazan'ny fikambanana. Manana endrika manokana ny faritra ipetrahan'ny Akadianina.
Faritany
Miaina ao amin'ny faritany Kanadianina efatra ny Akadianina (Nouveau-Brunswick, Québec, Nouvelle-Ecosse, ary Nosin'i Prince-Edouard) sy faritany telo any Etazonia: Louisiana, Maina ary Massachusets.
Any amin'i Akadia avaratra, zo amoron'ny Baie des Chaleurs sy ny moron'ny Révière Restigouche ny loham-pirenen'i Akadia avararatra, any atsimon'ny faritan'i Quebec no misy izy ireo.
Tantara
Zanatany frantsay
Efa voazahan'ny Viking tamin'ny taonjato faha folo ny faritanin'i Akadia. Tonga tany ny mpanjono lamôria tamin'ny taonjato faha telo ambin'ny folo. Ny Micmac, ny Malesita sy ny Passamaquoddy no tompon-tany teo tamin'izany. Nihaona tamin'ny Micmac i Jacques Cartier tamin'ny fizahana tamin'ny 1534. Nila niandry ny taona 1604 vao noforonin'i Pierre Dugua de Mons i Akadia.
Fitiavan-tanindrazana Akadianina
Evan'ny Akadia
Fiaraha-monina
Demografia
Toe-karena
Fitiavan-tanindrazana akadianina
Renivohitra
kolon-tsaina
Jereo koa
Rohy ivelany
- Congres Mondial Acadien 2009 Archived Janoary 10, 2022 at the Wayback Machine
- Acadian Tourism Commission Archived Septambra 18, 2009 at the Wayback Machine
- Acadian Heritage Portal – Acadian history, & genealogy and folklore
- Visit l'Acadie of New Brunswick (Tourism New Brunswick.ca)
- National Society of Acadia (French Only)
- Acadian Ancestral Home by Lucie LeBlanc Consentino - a repository for Acadian history & genealogy
Content Disclaimer
Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.
- The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
- There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
- It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
- Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
- Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.
