Adalo

Ny Adalo dia vintana fahiraika ambin' ny folo amin' ny fanandroana malagasy. Ny Adijady no eo alohany ary ny Alohotsy no manaraka azy. Ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy[1]. Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo araka ny finoan-drazana malagasy.

Fiavian' ilay anarana

Fiavian' ilay anarana

Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zodiaka amin' ny teny arabo hoe ادلو / Al-Dalu ("mpandraraka rano") ny hoe Adalo.

Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Aquarius na amin' ny teny frantsay hoe Verseau. Amin' ny teny soahily dia atao hoe Dalu na Ndoo io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Dalwu na Timba ihany koa izy.

Antokon-kintan'ny Mpitondra Rano

Ny antokon-kintana Mpitondra Rano sy ny zôdiaka

Mandala eo amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Mpitondra Rano ny masoandro amin' ny 16 Febroary hatramin' ny 11 Marsa. Eo amin' ny 15 Febroary hatramin' ny 14 Marsa ny fari-potoan' ny Mpitondra Rano ao amin' ny zôdiakan-kintana fa amin' ny 21 Janoary hatramin' ny 18 Febroary kosa izany araka ny zôdiaka mikisaka. Ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin' ireo noho izy miandry tsinam-bolana.

Ny vintana Adalo

Toerany

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahiraika ambin' ny folo koa ny Adalo ka ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Zanabintana ny Adalo. Mifandratra amin' ny Alahasaty sy miarina eo amin' ny Asorontany ny vintana Adalolo. Trotroin' ny renivintana Adijady ny zanabintana Adalo. Ao amin' ny fitetezana andro dia mitondra tonon' andro roa ny Adalo, dia ny vava Adalo (na vavan' Adalo)sy ny vody Adalo (na vodin' Adalo).

Fombany

Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo araka ny finoan-drazana malagasy.

Vava Adalo

Atahorana ho maty kely ny zaza teraka vava Adalo.

Vody Adalo

Ny zaza teraka vody Adalo dia tsara vintana ihany ka ho tratra antitra na dia manan-toetra malahelohelo aza.

Volana Adalo

Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Adalo ho volana fahiraika ambin' ny folo amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).

Manomboka amin' ny vava Adaloka miafara amin' ny vody Adijady ny volana Adalo raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Adijady dia miafara amin' ny vava Adalo ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Adalo io dia mifarana amin' ny vody Adalo ny volana izay misy 30 andro.

Jereo koa

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro

Loharano sy fanamarihana

  1. "Adalo", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.

Content Disclaimer

Informasi ini disarikan dari Wikipedia dan disajikan kembali untuk tujuan edukasi. Konten tersedia di bawah lisensi CC BY-SA 3.0. Kami tidak bertanggung jawab atas ketidakakuratan data yang bersumber dari kontribusi publik tersebut.

  1. The information displayed on this website is sourced in part or in whole from Wikipedia and has been adapted for the purpose of restating it. We strive to provide accurate and relevant information, however:
  2. There is no guarantee of absolute accuracy. Wikipedia is an open, collaborative project that can be edited by anyone, so information is subject to change.
  3. It is not intended to constitute professional advice. The content displayed is for informational and educational purposes only. For important decisions (e.g., medical, legal, or financial), please consult a professional.
  4. Content copyright. Wikipedia is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike License (CC BY-SA). This means that content may be reused with appropriate attribution and shared under a similar license.
  5. Responsible use. Any risk arising from the use of information from this website is entirely the responsibility of the user.